Sal 23 / Hira 6.1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 19.1.2.3

Taorian’ny nampahiratan’i Jesoa ilay jamba dia nanao fampahafantarana ny Tenany Izy, manoloana irco olona maro izay nanatrika Azy. Izao àry no hafatra: mifikira amin’i Jesoa fa:

    Mampahafantatra ny Tenany Izy amin’ny maha Mpiandry tsara Azy, satria maro ireo mpiandry hafahafa, mpikarama. Mitaona izay mihaino Azy Jesoa mba hanaiky ho isan’ny ondriny satria misy ny bibidia izay fahavalon’ny ondry, toy ny amboadía. Izy irery ihany no tena Mpiandry azo antoka satria ilay mahafoy ny ainy hainonjy ny ondriny. Ankehitriny dia maro be no milaza manavotra sy mamonjy, ary mampilendalenda ny olona fa mahay zavatra maro. Tsarovy fa iray ihany ny Mpamonjy día Jesoa velona, Ilay Mpiandry tsara. Voasoratra hoe: «ny devolv fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany» (1 Pet.5,8b)

      Ny tena mpiandry tsara ihany koa dia mahafantatra ny ondriny. Ny hoe mahafantatra mantsy dia midika fifandraisana lalina ary fifandraisana mitohy, ampitahain’i Jesoa amin’ny fifandraisany amin’ny Ray izany. Fantatry ny tena mpiandry ondry tsara ny filan’ny ondry tsirairay, eny hatramin’ny toetran’izy ireo ihany koa aza. Izany fifamatorana izany dia nosokafan’i Jesoa he an’ny rehetra ka nilazany fa misy ondry hafa koa andrasany izay maneho ilay famonjena ho an’ny rehetra.

      Afaka mifaly isika rehefa manaiky sy mino fa i Jesoa no Mpiandry antsika satria fantany tsara izay mahasoa ny ondriny.

      Tena manaiky ny fitarihan’i Jesoa ny fiainantsika ve isika?