Sal 105.1-4 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 476.1,2

Nilaza tamin’i Ahaba i Elia fa hamory ny zanak Israely rehetra, ka rehefa vory lanona izy ireo, dia nilazany hoe: « mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo ». Nitaona ny zanak’Israely i Elia, mba hisafidy mazava tsara ny amin’izay Andriamanitra harahiny. Izy ireo mantsy dia nirona hanompo tompo roa. Sady te hanompo an’Andriamanitra hanompo an’i Balano. Elia no mpaminany irahin’ Andriamanitra hamerina ny vahoaka indray ho co Aminy. Fantatr’i Elia fa mamaly vavaka Andriamanitra, mba hiverenan’ireo vahoaka hanaraka Azy. Mampidi-doza ny manao fitan-droa. Jesoa Kristy dia efa nilaza fa: « tsy misy olona mahay manompo tompo roa … » (Mat 6. 24).

Raha nanao fanatitra ireo izay nanaraka ny mpaminan’i Bala dia tsy naharehitra ny fanatitra mandra-paharivan’ny andro, na dia efa nanao izay ho afany aza. Fa ny Tompo kosa dia nanomana afo tamin’ny fomba mahagaga mba handevonana ilay fanatitra nataon’i Elia. Nohamarinin’Andriamanitra ny maha mpaminanin Israelyazy. Voaporofo fa Andriamanitry ny Israely ihany no Andriamanitra velona, ary tokony ho tompoin’izy ireo. Rehefa nahita izany fahagagana izany ny Israely dia niankohoka ka nanao ho: Jehovah, Izy no Andriamanitra (18.39). Izay tena mpaminany marina tokoa dia hamarinin’Andriamanitra eo amin’ny iraka ampanaovina azy, ary tsy avelany ho irery eo anatrehan’ny ady sarotra. Aoka isika hatoky Azy, fa Jehovah no hiady, ianao kosa hangina.

Mbola misy mpaminany sandoka ve ankehitriny? Hazavao.