Lioka 11. 9-13
Ilay Andriamanitra Raintsika 
1- Mitsinjo ny zanany mandrakariva 

Afaka mifandray amin’Andriamanitra mandrakariva isika zanany, fifandraisana amin’ny alalan’ny vavaka sy ny tenin’Andriamanitra izany. Mitovy amin’ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny niteraka sy ny zanany ao an-tokan trano. Eo amin’ny fiainana andavanandro, ny ray aman-dreny niteraka dia manome izay zavatra ilain’ny zanany manolotra ny mahasoa mandrakariva. Tsarovy fa ilay Andriamanitra Ray Mpahary antsika dia tena Ray mitsinjo, mivehitra ny mahasoa antsika zanany. Efa nomeny antsika ny Fanahy Masina ka afaka mifandray Aminy isika, afaka mitondra ny hetahetantsika eo Aminy. 

2- Manome ny tsara indrindra ho an’ny zanany 

Ny olombelona dia manana ny fahalemena, tsy tanteraka. Kanefa na dia izany aza dia mahalala hanome ny tsara sy izay mahasoa ny zanany mandrakariva. Tsarovy fa Ilay Andriamanitra fitiavana dia mihevitra ny mahasoa antsika hatrany. Azontsika atao ny mangataka izay zavatra mahasoa antsika ao Aminy I Jesoa Kristy dia mamporisika ny mpianatra hoe, mangataha dia homena hianareo, mitadiava, dia hahita lanareo: dondony dia hovohana lanareo» (and.9). Mitaona antsika hangataka ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy, izany Fanahy Masina izany no fanomezana tsara indrindra tena ilain’ny olona eo amin’ny fiainana. Miavaka tokoa mantsy ny olona manana ny Fanahy Masina satria mpanolontsaina, mpampahery ahafahana miatrika ny fiainana ho avy. manana 

Fanontaniana:

Inona no mahatery anao rehefa mivavaka?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM