DEOTERONOMIA 29.1-5
Iorenan’ny fanafahana ny Tompo
1-Miady ny adinao Izy
And 1-2 dia manambara an’Andriamanitra mandray andraikitra amin’ny fahavalon’ny olony dia ny Egyptiana izany Atsingerin’iMosesy ao an-dohan’ny olona izany mba hahatsiarovany fa mandray andraikitra amin’ny ady natrehany nanoloana ny fahavalony Andriamanitra. Zava-mahagaga teo imason’ny olona izany satria tsy misy fandraisana anjara nataon’izy ireo nandritra ny ady fa Andriamanitra no nirotsaka an-tsehatra nanafoana ny fahavalony. Mandraka ankehitriny dia fomba fiasan’Andriamanitra izany no an’ny olona mametraka ny adiny Aminy . « Fa raha hihaino ny feony btokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko ,dia ho fahavalon’ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho » (Eks 23.22)
2-Miahy ny fiainanao Izy
And 4-5 dia maneho an’Andriamanitra miahy ny momba ny olony manokana. Fa raha nandeha namakivaky ny tany efitra efapolo taona ny olony dia tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-kodiny na ny kapa teny an-tongony. Ary na ny sakafony aza dia Andriamanitra no manome izay sahaza azy isanandro . Izany fiahian’Andriamanitra izany no mampibaribary ny maha-Andriamanitra hafa Azy. Mandia ny asaramanitra isika Malagasy anio sy rahampitso. Hihinana sy hisotro ho fanehoam-pifaliana . Izay sakafo atolony hahavelona antsika no hano sy sotroy hanehoantsika fa fitahiana avy Aminy ireny. « Koa raha ianareo na dia ratsy aza ,mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo ,tsy mainka va ny Ray izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy ? » (Lio 11.13)
Fanontaniana:
Tanisao ireo fahasoavana efa natobaky ny Tompo taminao.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM