JODA 5-13
« Fa rehefa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona dia naringany ihany tao aorian’izany izay tsy nino » Joda 5
Hazony mafy ny famonjena
1-Natolotra ho antsika ny famonjena
Ny fanafahana tany Egypta dia tsy inona fa ny fanavotan’Andriamanitra ny Zanak’Israely izay nandevozin’i Farao .Toy izany koa ny fiainantsika fony mbola mpanota sy nandevozin’ilay ratsy tamin’ny fotoana tsy nahalalantsika an’Andriamanitra .Novonjen’ny Tompo isika ho afaka tamin’izany , tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany .« Fa Andriamanitra mampseho ny fitiavany antsika fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjuy antsika Kristy » (Rom 5.8) .Ny olona rehetra no hisitraka izany famonjena izany amin’ny alalan’ny fandraisana an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy . »Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana , fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka » (Asa 17.30)
2-Hanenina izay tsy mihazona tsara
Na dia nandray ny famonjena aza ny Zanak’Israely dia nisy ny naringan’ny Tompo , satria tsy nihazona ny finoany (vakio Nom 6.28-35) .Ny fandraisantsika ny famonjena dia mitaky finoana sy toe-panahy mendrika .Tsy azontsika atao intsony ny miverina amin’ny fahotana izay efa nandavo antsika (vakio 2 Pet 2.22) fa manombo an’i Jesoa indray amin’ny hazo fijaliana . Ny hihazontsika ny famonjena izay efa nomena antsika maimaimpoana dia tsy inona fa ny fiainantsika ny Tenin’Andriamanitra .
Fanontaniana:
Efa mahatsiaro ho nandray ny famonjena ve ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM