Salamo 116. 12-19
Ny mpanompon’Andriamanitra
1- Misaotra an’Andriamanitra

« Hianao no hanaterako fanati-pisaorana, ary ny anaran’i Jehovah no hantsoiko » (And, 17) Rehefa nahatsiaro ny fanafahana sy ny famonjena nataon Andriamanitra taminy ny mpanao Salamo dia nisaotra Azy. Ny fanati-pisaorana izay mandrava ny elanelana misy eo amin’Andriamanitra sy ny olona. Mariky ny fahatsiarovana ny famonjena sy ny fiombonana amin’ny Fiangonana ny fanaovana izany ary indrindra ho fanehoana ny fahatokiana Azy indray. Ny olona mahatsapa ny famonjena nataon’Andriamanitra taminy no misaotra an’Andriamanitra. Ary ny fisaorana lehibe indrindra dia ny finoana sy ny fandraisana ny famonjen’i Jesoa Kristy.

2- Manatanteraka ny voadiny

«Hanefa ny voadiko amin’i’Jehovah aho, eny. eo anatrehan’ny olony rehetra,» (And. 18) Teo amin’ny Isiraely. raha misy olona nieren-doza, marary mafy dia manao voady izy mba ho sitrana, ka rehefa sitrana izy dia manatanteraka ny voady izay nataony tamin’Andriamanitra ao amin’ny Tempoly. Ka eto ny mpanao Salamo. amin’ny maha mpanompon’ Andriamanitra azy, dia hanatanteraka ny voadiny. Ny olona izay mahatsiaro ho nandray fanafahana sy famonjena tamin’Andriamanitra, indrindra raha nanao voady, dia tokony manatanteraka izany. Ary ny fanafahana izay lehibe indrindra dia ny fanafahana tamin’ny ota nataon Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Koa tanteraho ny voady rehetra efa nataonao tamin’ Andriamanitra fa izany no maha mpanompon’ Andriamanitra anao.

Fanontaniana

Inona no mahatonga anao tsy mahatanteraka ny voadinao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM