Apokalipsy 4.9-11

Miderà an’Andriamanitsika

Anisany mitana anjara toerana voalohany eo amin’ny fanompoam-pivavahana fanaon’ny Fiangonana Kristiana ny fiderana an’Andriamanitra noho ireto antony ireto :

1- Izy no Tompo sy Andriamanitra.

Amin’ity toko faha efatra ity no ilazan’ny mpanoratra ny toetoetry ny lapan’Andriamanitra any an-danitra sy ny fomba ataon’ireo mpanompo mba ho fiderana Azy. Miankohoka eo anatrehan’i Jesoa Kristy, Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ny mpanompony, manetry tena sy manaiky fa Izy no Tompo sy Andriamanitra; Izy mendrika homem-boninahitra; mendrika hajaina Izy fa Izy no Ilay mahery. Ny tena fanompoam-pivavahana marina dia feno fanajana sy fanetren-tena ka tsy mitodika afa-tsy amin’Andriamanitra irery ihany. Aiza ho aiza amin’izany ny fanompoam-pivavahana mbamin’ny hira fiderana tanterahin’ny Fiangonana ankehitriny?

2- Izy no nahary ny zavatra rehetra.

Zava-dehibe eo amin’ny maha olombelona antsika ny mahafantatra fa Andriamanitra no nahary ny zavatra rehetra, ary anisan’ny zava-boahariny isika. Mendrika hoderaina sy homem-boninahitra Izy satria: “Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza” (Jao 1:3). Ny zava-manan’aina hafa dia tsy mba afaka handinika sy hahalala ny maha Andriamanitra mpahary Azy, kanefa dia hita taratra amin’izy ireny koa ny voninahitr’Andriamanitra Mpahary. Araka izany, dia azo ambara fa anisan’ny antom-pisian’ny Fiangonana ny hidera an’Andriamanitra satria Izy no Tompo sy Andriamanitra Mpahary.

Fanontaniana:

Voahajan’ny Fiangonana misy antsika ve ny maha zava-dehibe ny fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra? Hazavao.

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM