2Korintiana 4. 16-18

Ny olona miatrika fahoriana

1. Matoky an’Andriamanitra (And. 16) Nandalo fanenjehana sy fisendrana mafy sy maro samihafa i Paoly

Apostoly nandritry ny fotoana nandehanany nitory ny filazantsara. Nanoloana izany, tsy kivy izy, tsy ketraka, eny, fa na dia miharatsy aza ny toe-batany fa vao mainka aza nitombo ny finoany sy ny fahatokiany an’i Jesoa Kristy. Ny fanenjehana sy ny olana ara-batana, izay mihatra noho ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia vao mainka mampiorina hatrany ny finoan’ny mpianatr’i Kristy sy mahatonga azy ho masaka ara-pinoana. Koa raha misedra olana noho ny amin’ny fanompoana an’i Kristy ianao, aza kivy, aza ketraka, matokia hatrany fa manamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy izany. Koa miorena tsara amin’ny finoana ka mahareta.

2. Manantena ny fiainana mandrakizay (And. 17)

Amin’i Paoly Apostoly, ny vatana, izay feno ny Fanahy Masina, feno finoana dia atolotra ho amin’ny fahafatesana, ho amin’ny faharavana mba hahazoana miseho eo anoloan’ny voninahitra maharitra mandrakizay. Ary izany no mahatonga ny mpino kristiana vao mainka hiasa fatratra manoloana ny fiaretan’ny nofo noho ny finoana an’i Kristy. Ilay fanantenana ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny olona no manosika azy hiasa mafimafy kokoa, ho an’Andriamanitra, na dia misedra fanenjehana sy fahoriana aza izy. Tsy sakana amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra ny fisian’ny fanenjehana sy fahoriana fa hery manosika hiasa mafimafy kokoa aza. Koa aza ketraka amin’ny fahoriana fa manana fanatenana isika.

Fanontaniana

Ahoana ny fomba handresena ny fahoriana sy ny fanenjehana mba tsy hampihemotra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe