Alahady 11 Jiona 2023

by Mofonaina–SA-FJKM

JAONA 8.1-11

Jesoa no mpanafaka amin’ny fangejan’ny lalàna

« izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany » (and7b)

Raha ny lalàna voasoratra ao amin’ny Deo 22.22-24 dia tokony ho faty tokoa ity vehivavy ity sy ilay lehilahy niaraka taminy .Lalàna voasoratra izany , fantany tsara fa tsy azo atao ,kanefa nataony ihany .Inona àry no antony ?Filàna amin’ny maha-voajanahary itovizana amin’ny biby na ilay antsoina hoe: « instinct ».Noteren’ny filàna izy ireo dia tsy nahavita nanohitra intsony ka izao tratra izao,sady afa-baraka satria eo imasom-bahoaka no eo ambavaran’ny fahafatesana ,saingy avotra ny ainy satria hitan’i Jesoa fa tsy niteny nanamari-tena intsony ilay vehivavy .Ny tenin’i Jesoa nanafaka azy dia nanome lanja ny famindrampon’Andriamanitra . »Izaho koa dia tsy manameloka anao , mandehana ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony  »

Efa fantatr’i Jesoa fa filàna mangeja no nahatonga azy hijangajanga na dia efa fantany aza fa mahafaty izany .Tsy manameloka azy mihitsy anefa iJesoa fa nampitandrina kosa mba tsy hanota intsony .Raha manatona an’i Jesoa isika ka miaiky fa diso dia ho voavela ny helokao ary afaka amin’ny filan-dratsy ianao .Ao amin’i Jesoa ihany no misy ny fanafahana antsika amin’izany karazan-kery mangeja zany .

Fanontaniana :

Ahoana ny hevitra momba ireo tantara ireo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fjkm Filadelfia