LIOKA 24.1-12.

Anisan’ny fahamarinana fototra ao amin’ny Filazantsara ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty . Noho ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo dia :

1-Foana ny fasana

Fanaon’ny olona tamin’izany fotoana izany ny manosotra zava-manitra ny faty mba hitehirizana azy tsy ho simba .Raha nandeha nankany amin’ny fasana anefa ireo vehivavy dia voaporofo fa efa nitsangana ny Tompo . Foana ny fasana . Manamarina ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ny zava-misy voalaza eto. Manaporofo koa fa Izy no Zanak’Andriamanitra (Jao 10.17-18) izay manamafy ny fahamarinan’ny Soratra masina (Sal 16.10/Lio 24.44/ Asa 2.31) . Ilay fasana foana no mampiharihary fa tena nitsangana i Jesoa ary Zanak’Andriamanitra tokoa Izy .

2- Nikodia ny varavaram-pasana

Iza no hisolo antsika hanakodia ny vato eo amin’ny varavaram-pasana ? .Izany no adihevitra teo amin’ireo vehivavy teny an-dàlana . Ireto vehivavy ireto izay tsy niankina tamin’iza ary nanana izay antony nanosika azy dia sady vavolombelona voalohany nahita ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty no Misionera voalohany koa ho an’ny fiangonana. Ny vato efa nikodia no manamarina fa resin’ny herin’ny Tompo ny sakana rehetra .Efa voakodia ny ny varavaram-pasana raha mino isika . Mampahatsiahy ny mpanoratra fa ny finoana an’i Jesoa Kristy no hanakodia ny vato izay misakana ny hahatanterahan’ny fikasana .

Fanontaniana :

Mbola misy ve kristiana nefa mbola mihazakazaka mankeny amin’ny fasana mba hivavaka?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM