Zefania 1.14-18

Vonona ve ianao hitsena ny Tompo?

Hisy andro mahory ary efa antomotra, hoy Zefania raha manambara izany. Akaiky dia akaiky ilay andro mahory hamalian’ny Tompo ny fahotan’ny olona. Tsy mba andro fifaliana izany andro mahory izany. Ka na ny lehilahy mahery aza dia tsy hahazaka izany. Izay olona tsy mitoetra amin’ny finoana sy ny fahatahorana ary ny fahamasinana dia iharan’izany fitsaran’ ny Tompo izany. Koa mila mitoetra amin’ny toe-panahy feno fahamasinana isika eo am-piandrasana izany. Hoy Jesoa «raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana ety ambonin ‘ny tany va Izy? » (Lio 18) .

Koa andeha hiverina amin’Andriamanitra isika Tsy mankasitraka ny faharatsiana ny Tompo ka mampiharihary ny mety ho vokatr’ izany. Amin’ny alalan’izany no hanehoany fa tsy mahavonjy antsika ny fananana sy ny hery. Tokana ihany ny làlam-pamonjena dia ny fivelomana amin’ny Tenin’ Andriamanitra izay mitarika antsika amin’ny finoana ny Zanany lahitokana, dia Jesoa Kristy. Fotoana iverenantsika amin’ Andriamanitra izao, mba tsy ho loza sy ho fahoriana ho antsika ny andron’i Jehovah. Fa rehefa avy eny amin’ny rahon’ny lanitra ny Tompo, dia izay mitoetra amin’ny finoana no afaka hitsena Azy (vakio 1Tes 4.17)

Fanontaniana :

Inona avy ireo toetra ratsy mbola mamalotra anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM