JONA 2.1-11

1-Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona

Ny fampiasana ny matoanteny eto hoe : « nanomana » dia tsy hahafantarana izay hevitra tiana ambara marina eto .Raha miresaka hoe : nanomana mantsy dia toa mamerina amin’ny mpampianatra sekoly alahady ny fiomanan’ny tenany sy ny fanomanany ny lesona hampianarina izany . Ny nanomana anefa eto dia zavatra vetivety sy eo no eo , satria ny tiana holazaina eto dia izao : ny fanaovana sy ny fanatanterahan’Andriamanitra zavatra eo no eo ho araka ny teniny .Izay no maha-Andriamanitra Azy , mahay sy afaka manao ny zavatra rehetra . Izay no tena asongadina .Mariho koa ny fanehoana ny tohin’ny toe-javatra sy ny fahatanterahan’izany eo no eo araka ny haseho eto and 11: nandidy ilay hazandrano Jehovah ka naloany teny amin’ny tany maina i Jona (Gen 1.3) :« Ary Andriamanitra nanao hoe : misia mazava , dia nisy mazava »

2-Ary i Jona dia tao an-kibon’ny hazandrano hatelon’andro sy hatelon’alina

Taterin’i Jesoa ao amin’ny Mat 12.40 ity toe-javatra voalaza momba an’i Jona ity . Koa araka izany fanambaran’i Jesoa Kristy izany , ny fitoeran’i Jona tao an-kibon’ny hazandrano dia nentina nillazana ny nahafatesan’i Jesoa koa. Tsy milaza mivantana ny nahavelomany ny Tompo eto kanefa misintona ny sain’ny mpihaino Azy Izy araka ny tantaran’i Jona ka ny filazana ny nivoahan’i Jona avy tao amin’ilay hazandrano dia milaza ny fahavelomany ihany koa .

Fanontaniana:

Milaza inona aminao ny tantaran’i Jona?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM