Genesisy 2.18-25
Andriamanitra mahary ny fanambadiana
1- Manao vady ho an’ny olona
«Tsy tsara raha irery ralehilahy…» (and.18). Eto ihany no ahitana ny filazan’Andriamanitra fa « tsy tsara » tao anatin’ny fahariana. Noharian’Andriamanitra hanana fifandraisana amin’ny hafa isika. Raha tsy misy fiaraha-miaina amin’ny vehivavy dia tsy ho tanteraka ny hoe « hanjaka » amin’ny zava-boary sy ilay tsodrano hoe : « Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany ». Noho izany, nahary ny fanambadiana Andriamanitra mba hahazoana manatanteraka ny fikasany sy ny tsodrano nataony tamin’ny olombelona. Ary tsy izany ihany, mba tsy hisaina sy tsy hiasa irery ny lahy na ny vavy fa midinika sy hifampiresaka amin’ny vadiny. Rehefa tsy mifampiresaka ny mpivady dia tsy mitranga ny olana ao anatin’ny tokantrano. Koa mifampiresaha ry mpivady !
2- Manolotra vady ho an’ny olona
«…nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy» (and.22). Andriamanitra no nahary ny lehilahy. Andriamanitra no nahita fa tsy tsara raha irery izy. Izy ihany koa no nanolotra vehivavy ho vadin’ny lehilahy. Tsy afaka nihaona ny lehilahy sy ny vehivavy iray izay tonga vadiny raha tsy Andriamanitra no nampihaona azy roa. Noho izany, fanomezana avy amin’Andriamanitra ny vady, satria Izy no nahary sy nanolotra azy. Kanefa koa, tokony ho tsaroana fa safidin’ny tsirairay tao anatin’ireo lehilahy na vehivavy marobe ireo ny iray ho vadiny. Ny nataon’Andriamanitra dia nampihaona, ary adidin’ny olona ny nisafidy izay ho vadiny tao anatin’ireo olona maro hitany ireo.
Fanontaniana
Inona avy ireo fiheveran-diso momba ny fahazoana vady?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM