Sal 24.1-5 / Hira 24.1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 548.3
Jaona 9, 35-41
Hamafiso orina ny finoana
Ahirato ny maso hijery sy hahita
Ivereno vakina ary mariho eto amin’ity Mofonaina androany ity fa averimberina ny matoanteny hoe: mahita sy ny mino. Tsy mahagaga izany satria momba ny fampahiratana jamba ny foto-dresaka eto. Mahita sy mino: Ilaina ny mijery sy mahita mba hinoana (voir pour croire). Nampahitra ny jamba i Jesoa ka te hilaza amintsika koa anio, hoe: Ahirato ny masonao hanamafisana orina ny finoana. Koa hamafiso orina ny finoana, ahirato ny maso mba hahatanteraka izany. Foto-kevitra Protestanta ny « finoana avy amin’ny fihainoana », saingy marefo isika, ka tsy mafy orina ny finoana raha tsy mahita, tahaka an’i Tomasy (Jao 20, 25b sy 29). Noho izany aza minia mikimpy fa ahirato ny maso hijery sy hahita. Famantarana hita maso hanamafisana orina ny finoana ny Sakramenta, koa omeo lanja ny Sakramenta, fa aza atao fomba fahazarana fotsiny, na hamaivanina. Aza atao kitoatoa!
Sahia manadihady hahalalanao finoana marina
Rehefa nihaona tamin’i Jesoa ilay jamba nositraniny dia nifampiresaka izy ireo, nanontany azy ny momba ny finoany i Jesoa: Mino ny Zanak’ Andriamanitra va ianao, hoy i Jesoa. Iza moa Izy tompoko mba hinoako Azy? Ny and.35 38 dia fanontaniana sy valiny ary miendrika fanadihadiana hahalalana marina an’i Jesoa. Raha te hiroso amin’ny finoana marina, tahaka ity jamba nahiratra ity isika, dia tsy ampy ny mahita, fa ilaina ny mandalina sy mamakafaka. Aza manao rapa-dango amin’izay finoana sy fivavahana ary fiangonam-baovao vao miorina. Sahia manadihady ary ny Soratra Masina ikarohana ny valin-teninao dia ho fantatrao izay tokony hinoana.
Fanontaniana:
Moa ve azonao ny ifandraisan’ny Sakramenta sy ny toriteny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe