Salamo 23 / Hira 549 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487.1,3
Deoteronomia 26, 16-19
Ento miaina ny finoana !
Asehoy eo amin’ny seha-piainana rehetra ny finoana
« Koa tandremo sy araho amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo » (and.16) Ny Deoteronomia no fatra-pampiasa izany fiteny izany. Ny mitandrina ny didy sy manaraka azy, raha bangoina amin’ny teny tsotra dia izao: Mampihatra, na manao Pratika. Mazava ny hoe: «araho »: ampiharo, eo amin’ny seha-piainana manontolo no dikany. Ampiharo ka ampifanaraho amin’ny sitrapon’ny Tompo izay ataonao, na ny fifandraisanao amin’ny hafa, na ny asa aman-draharaha, na ny fianarana, ka ataovy araka sitrapon’ny Tompo sy ny teniny. Tsy finoana tanisaina, na finoana hirahiraina, fa finoana enti-miaina! Tsy ianao mahay tsianjery fotsiny ny tenin’ Andriamanitra, fa ianao mampihatra izany eo amin’ny ataonao. Tsy maintsy mivonona hankato tahaka an’i Jesoa ny mpino rehetra, na amin’ny teny na amin’ny asa.
Manana fanantenana fa hanandratra anao Izy
Rehefa mihaino isika ary mankato dia handray fitahiana: Ho « firenena rakitra soa»; ho firenena mpitari-dalana no hevitr’izany. « Ho fiderana sy anarana ary ho voninahitra » (and.19), izany hoe: ho fanta-daza. Matokia ary manana fanantenana fa izay manome voninahitra ny Tompo no homeny voninahitra (vakio 1 Sam 2, 30). Afaka manantena fitahiana sy fahasoavana isika rehefa mankato sy mitandrina ny fiainam-pahamarinana, araka ny sitrapon’Andriamanitra, ka manome voninahitra Azy amin’izany. Izany no nanandratana an’i Jesoa, sady nandreseny ny fahafatesana.
Fanontaniana
Raha mpivarotra ianao, ahoana ny iananao ny finoana ?
Sampana Sekoly Alahady Foibe