APOKALYPSY 4.9-11
Midera an’ Andriamanintsika
Anisany mitana anjara toerana voalohany eo amin’ny fanompoam-pivavahana fanaon’ny Fiangonana kristiana ny fiderana an’Andriamanitra noho ireto antony ireto :
1-Izy no Tompo sy Andriamanitra
Amin’ity toko fahefatra ity no ilazan’ny mpanoratra ny toetoetry ny lapan’Andriamanitra any an-danitra sy ny fomba ataon’ireo mpanompo mba ho fiderana Azy. Miankohoka eo anatrehan’ i Jesoa Kristy,Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ny mpanompony ,manetry tena sy manaiky fa Izy no Tompo sy Andriamanitra . Izy no mendrika omem-boninahitra ,mendrika hajaina fa Izy no Ilay mahery . Ny tena fanompoam-pivavahana marina dia feno fanajana sy fanetrentena ka tsy mitodika afa-tsy amin’Andriamanitra irery ihany . Aiza ho aiza amin’izany ny fanompoam-pivavahana mbamin’ny hira fiderana tanterahan’ny Fiangonana ankehitriny.
2-Izy no nahary ny zavatra rehetra
Zava-dehibe amin’ny maha-olombelona antsika ny mahafantatra fa Andriamanitra no nahary ny zavatra rehetra ,ary anisan’ny zava-boahariny isika. Mendrika hoderaina sy omem-boninahitra Izy satria : »Izy no nahariana ny zavatra rehetra ,ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao na dia iray aza »(Jao 1.3). Ny zava-mananaina hafa dia tsy afaka handinika sy hahalala ny maha-Andriamanitra mpahary Azy ,kanefa dia hita taratra amin. ‘izy ireny koa ny Voninahitr’Andriamanitra Mpahary Araka izany dia azo ambara fa anisan’ny antom-pisian’ny Fiangonana ny hidera an’Andriamanitra , satria Izy no Tompo sy Andriamanitra Mpahary .
Fanontaniana :
Voahajan’ny Fiangonana misy antsika ankehitriny ve ny fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ? Hazavao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM