Matio 24. 43-51

Miomàna handray ny Tompo!

1- Aoka ho olo-mahatoky

Ny toetry ny olo-mahatoky eo am-piandrasana ny fiavian’i Jesoa dia ireto :

Miambina : tsy matoritory no sady mijery hatrany ny manodidina sao misy fahavalo tonga ary manana fahavononana hiatrika izay fahavalo mety ho avy tampoka

Miomana : olona feno fahavononana amin’ny fahatongavan’ny Tompo. Toy ny miandry fa efa akaiky dia akaiky ny fahatongavany, ka tsy varimbariana sy revorevo amin-java-tsy ahitan-tsoa!

2-Aoka tsy hanao kitoatoa

Ny toetry ny olona manao kitoatoa ihany koa no ambaran’i Jesoa eto ka hampitandremany antsika amin’izao andro izao . Ny mpanompo ratsy fanahy, hoy Izy eto:

Mikapoka namana : Mihevitra fa mbola ho ela ny fiavian’iJesoa ka manao izay hahavoa sy handavo ny namana

Mihinana sy misotro : Variana amin’ny fimamoana sy ny filibana amin’izao fiainana izao

3-Aoka hahatsiaro fa misy valiny ny atao

Ny mpanompo mahatoky dia hotendreny ho amin ‘ny fiainana mandrakizay .Ny mpanompo ratsy fanahy kosa dia ariany any amin’ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Fanontaniana :

Inona Izany no tokony hatao eo am-piandrasana ny fotoana hiavian ‘ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM