Ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana, ny Vondron’olona Mpiara-mivavaka ary Sampana sy Sampanasa ary Asa eto amin’ny SP VFA 37

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo

Ireto, ry havana, misy fanampim-panazavana sy fandaminana ary fanentanana mikasika ny asa miandry antsika SP37 ato ho ato, ho tohin’ilay serasera efa nalefa tamintsika farany teo.

 

1)      Mikasika ny Hetsiky ny SP37 hatao amin’ny 05 Martsa 2022 :

–          Amafisina fa ny toerana hanaovana ny Hetsika dia ao amin’ny

13 rue de Neuville Quartier Ham, 95000 Cergy, Val d’Oise (tsy mitovy amin’ilay adiresy hitantsika any anaty Tapakila, fa niova araka izany.)

–          Mialoha ny 27 Febroary 2022 ny fara-fisoratana anarana any amin’i Ramatoa Ratsifandrihamanana Tatamo ([email protected]) amin’ny fandraisana anjara amin’ny « Animation » (hira sns…) ho an’ny Fitandremana sy ny Sampana SP37.

 

2)      Fanampiana Traboina :

–          Araka ny taratasy nalefan’ny Sekretera Jeneraln’ny FJKM, fangatahana fanampiana Traboina ho an’ny Synodamparitany Mananjary Pangalana, Atsimo Atsinanana, Matsiatrasoa (SP23) noho ireo Rivo-doza nifanesy tany Madagasikara dia manentana antsika kristiana rehetra hiombona hifanome tanana, ry havana araka ny fivorian’ny Biraon’ny SP37 tamin’ny Talata 15 Febroary 2022 lasa teo.

–          Koa iangaviana ny isam-pitandremana sy ny VOMM samy hanao « Rakitra manokana » na « vonjiranovaky » araka ny mahamety ny isam-pitandremana mialoha ny 05 Martsa 2022. Ny vola voahangona dia ho entin’ny Biraon’ny Fitandremana sy ny VOMM amin’ny Hetsiky ny SP37 amin’ny 05 Martsa 2022 mba ahazoana mandefa izany miaraka any an-tanindrazana.

« Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao » File.1 :21

 

Dia maneho ny fisaorana sy fankasitrahana antsika amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa, ry havana.

Izy « Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. » Fil.2 :13

Manao veloma anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika

Ny biraon’ny SP VFA 37

Ny Filoha

Ny Mpitandrina Raholiarison Yves