1 Hira fiakarana. Nataon’i Davida.

Endrey, tsara sady mahafinaritra tokoa

izany firîndran’ny mpiray tampo miara-monina!

2Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina

ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra.

Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe

ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.

3Toy ny ando avy any amin’ny tendrombohitra Hermôna

ka mirotsaka eo amin’ny tendrombohitra Tsiôna;

satria eo Tsiôna no fanomezan’ny TOMPO fitahiana,

dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.