1Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin’izany isika. 2Nanan-danja tokoa na dia ny hafatra nentin’anjely aza, ary izay rehetra nandika izany na tsy nanaiky izany dia nahazo sazy tandrify avy; 3ka hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy raharahaintsika ny famonjen-dehibe toy izany? Ny Tompo mihitsy no efa nitory voalohany izany famonjena izany, ary nohamafisin’ireo izay nandre mba ho fanasoavana antsika. 4Andriamanitra koa dia niara-nijoro ho vavolombelona tamin’ireo nandre ireo ka niantoka izany tamin’ny famantarana sy zava-mahatalanjona ary ny asa mahagaga isan-karazany, mbamin’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina izay nozarazarain’Andriamanitra araka ny sitrapony.