Mpiandraikitra

Mpitandrina F. Rasoavina

Mpitandrina Iraka

Ny mpitandrina F. Rasoavina mivady no iraka  nalefan’ny SPVFA 37  nanohy ny fitondrana ny FJKM Filadelfia.
Ny volana Desambra 2vii no nandraisany ny fitondrana  ny FJKM Filadelfia.

Izy dia tonian’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy talohan’ny nandraisany izao iraka izao.

Mpitandrina Ramelo Arison

Mpitandrina Iraka

Ny mpitandrina Ramelo Arison dia mpitandrina nalefan’ny Synodamparitany SPVFA37 hanantateraka iraka teto amin’ny Fiangonana FJKM Filadelfia.
Ny volana Oktobra sy Novambra 2vii izy no nitandrina ny Fiangonana.

Ny Mpitandrina Ramelo Arison dia nanoratra mikasika “Ny tantaran’ny fifohazana” ( l’histoire du mouvement de réveil – The story of the revival movement).

Mpintandrina Rakoto Nirina

Mpitandrina mpiahy - SPVFA37

Ny mpitandrina Rakoto Nirina no mpitandrina Mpiahy ny FJKM Filadelfia nanomboka tamin’ny famolavolana ny Fiangonana tamin’ny Fiaraha-mivavaka, nahatongavana tamin’ny nananganana azy ho Fiangonanan FJKM Filadelfia.

Ny volana Jona 20vi no nanombohany niahiny/nitondrany ny Fiangonana.  Nifarana ny Septambra 2vii izany fiahiana mivantana izany. Mbola manana andraikitra mandrakariva amin’ny Fiangonana anefa izy amin’ny maha filohan’ny Synodamparitany SPVFA 37 azy.

Izy dia efa nitana taona maro ny tonian’ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy eto Madagasikara.

 

Fjkm Filadelfia