Sal 117 / HF 6: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 648:55

Mazava tsara ny Soratra Masina eto: Ho avy i Jesoa, noho izany:

    « Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo » hoy i Jesoa manome toromarika ho an’ny mpianany. Ny dikan’ny hoe valahana misikina dia ilazana ny fahavononana hiasa (Eks 12.11; Mpa 18. 46); akanjo lava mantsy no fitafiana tamin’izany fotoana ka manembatsembana amin’ny hetsika na zavatra atao raha tsy asiana fehinkibo. Ny jiro mirehitra koa dia mifameno hevitra amin’izany, midika fiandrasana amim-pahavononana fotoan-dehibe ho avy.

    « Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy…« . Ny hevitry ny teny hoe: « hitan’ny Tompony miambina » dia hoe tsy eo am-patoriana na mipetraka eo ambony seza, fa mitsangana, ary mandeha, vonona amin’izay zavatra mitranga rehetra, mamaly eo no ho eo raha antsoina. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao, vonona tsara hihaona amin’ny Tompo amin’ny fotoana rehetra, ary tsy tampoka aminy intsony izany !

      « Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. ». Eto no ilazan’i Jesoa fa tena zava-dehibe ny fahavononana satria tsy fantatra ny fotoana hiaviany, noho izany dia tsy maintsy mafana hatrany ny Kristiana amin’ny fiainam-bavaka sy ny fanongilanan-tsofina hihaino an’Andriamanitra, mba tsy ho latsa-nenina, tonga amin’ny fitenin’ny ntaolo hoe: lasa ny varatra vao mitsoka havozo.

      Hatraiza ny fahavononano amin’ny fiavian’ny Tompo?