Sal 134 / Hira 167: 1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432: 1
I Tesaloniana 3. 11-13
Andriamanitra Tompon’ny fahefana
1. Mahefa ny faniriana (and 11)
Ny Fiangonana tao Tesalonika dia tsy tena nijanonan’i Paoly noho ny fanenjehana nahazo azy. Naniraka an’i Timoty zanany ara-panahy izy hijery ny toe-draharaha. Taorian’ny tatitra nataony, dia nanam-paniriana ny hahita ireo Tesaloniana indray i Paoly. Fantatr’i Paoly mazava tsara anefa, fa maro ireo sakantsakana sy zavatra mifamahofaho mety tsy hahatanteraka izany. Izany no antony nilazany fa Andriamanitra irery ihany no « hanitsy ny lalan’izy ireo ». Mampianatra antsika ny Tenin’Andriamanitra eto fa Andriamanitra manam- pahefana hahatanteraka ny faniriantsika Izy. An’ny olombelona ny fikasana sy faniriana, fa Izy irery no mahefa izany. Ankino amin’ny Tompo izay irin’ny fonao.
2. Mahatanteraka ny fifankatiavana (and 12-13)
Ny Fiangonana tao Tesalonika no nijoro, dia noho ny fifankatiavan’ny samy mpino. Ary izany no nirian’i Paoly mba hampitomboan’ Andriamanitra ao amin’izy ireo. Endrika roa no ilazany azy eto: amin’ny fifankatiavana, izany hoe firahalahiana, maneho ny maha-tena iray ao amin’ny Tompo; fa eo koa ny fitiavana ny olona rehetra. Ankoatra izay dia lazain’i Paoly koa fa izany fifankatiavana izany no hahatanteraka ny « fahamasinana eo anatrehan’ Andriamanitra Ray amin’ny fihavian’i Jesoa mbamin’ny masiny rehetra ». Izy no loharanon’ny fitiavana. Raha tsy manana an’Andriamanitra ny olona dia tsy hanam-pitiavana velively. Avelao hanjaka eo amin’ny fiainanao ny Tompo, mba hanananao fitiavana, hahaizanao mitia Azy sy ny olona rehetra, mba tsy hanananao tsiny amin’ny fiavin’i Jesoa fanindroany.
Fanontaniana:
Inona avy no endrika isehoan’ny fahefan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe