Sal 92, 1-5 / HF 7: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 267: 4

    Oharin’i Jesoa ho toy ny mpanjaka manao fanasana fampakaram-bady ny fanjakan’ny lanitra eto. Fanasana in-telo misesy no nataon’ny mpanjaka: ny voalohany, fanasana manokana, ny faharoa fampahafantarana ny fahavononan’ny zavatra rehetra ho amin’ny fampakaram-bady; ny fahatelo dia fanasana ho an’ny rehetra teny amin’ny sampanan-dalana. Ny mpanjaka dia entina ilazana an’Andriamanitra, dia Jesoa Kristy, ary ny fanasana dia ny antso hidirana any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Asehon’i Jesoa eto fa natao ho an’ny olona rehetra ny fanjakan’ny lanitra. Takiana amin’izay te ho any an-danitra ny famaliana ny antsony.

    Maro no milaza fa anisan’ny ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, nefa tsy miakanjo akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady, tahaka ity lehilahy iray ity. Mahatezitra ny tompon’ny fanasana izany ka mahatonga azy haniraka ny mpanompony hamatotra ny tongony aman-tanany, ka hanary azy any ivelany. Araka izany, ny fidirana any an-danitra dia mitaky asa, anehoana fiovam-po sy fiovam-piainana ao amin’ny Tompo. Navoaka ilay lehilahy satria na dia maimaim-poana aza ny fanasana, tsy afaka ny handika sy hanimbazimba ny fitsipiky ny fampiantranoana ny vahiny. Nomena maimaim-poana ny famonjen’ Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa, kanefa tsy maintsy manana fitondrantena mendrika ny olona tafiditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Mila manatanteraka ny sitrapon’ny Tompo isika, raha te ho any an-danitra. Itafio avokoa ary ireo toetra mendrika ny maha-kristiana,

      Efa vonona ho any an-danitra ve ianao?