Salamo 106, 1-5 / Hira 171:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 338

Fetin’ny Tabernakely no resahana eto. Asaina mitandrina ny andro firavoravoana ho an’i Jehovah ny vahoaka Israely aorian’ny fiakaram-bokatra. Valo andro no faharetan’ izany. Amin’ny andro voalohany sy amin’ny andro famaranana dia tsy tokony hanao na inona na inona ny olona. Tsy izany ihany fa asaina maka karazana hazo ampiasaina ho famantarana amin’izany fety izany. Ny antony dia ho fankalazana an’Andriamanitra, hanehoana fifaliana amin’ny maha- Andriamanitry ny zava-boary rehetra Azy sy noho Izy mampahavokatra ny tany. Eto dia aorian’ny fanangonam-bokatra no hifaliana amin’Andriamanitra, mba hahalalan’ny olona rehetra fa Izy no nampahavokatra ny tany. Ho ahy sy ho anao koa, tsarovy fa Andriamanitra no mifehy ny zava-boary, satria Izy no Mpahary, izay isitrahantsika harena maro samihafa. Ankalazao ny Tompo, fa Izy no mampahavokatra ny tany.

Mandritra io fety io dia asaina mitoetra hafitoana ao amin’ny Tabernakely ny Israely. Izay no lazaina amin’ny hoe « trano rantsan-kazo » (and 42). Izany dia entina hahatsiarovana ny fiainana tany an’efitra, taorian’ny nanafahan’i Jehovah Andriamanitra azy ireo tany Egypta. Ny tanjon’Andriamanitra eto dia ny hahafantaran’ny taranaka rehetra mifandimby fa Izy no niaro sy nitari-dalana azy ireo tany an’efitra. Maneho izany fa tokony hankalazaina Andriamanitra satria mihazona ny fanekeny Izy, ary tsy mivadika amin’izany, fa nomba ny Zanak’ Israely tany an’efitra mba hahafahan’izy mankany amin’ny tany izay efa nampanantenainy azy ireo. Tsarovy fa mihazona ny fanekeny Andriamanitra, tsy mivadika Izy, ary mampahatsiahy izany eo amin’ny fiainantsika. Ankalazao ny Tompo, tsy mba mivadika Izy fa maneho mandrakariva ny fahatsarany.

Ankoatra ireo antony roa ireo, inona kaa no tokony hankalazantsika an Andriamanitra amin’ny fiainantsika?