Lohahevitra OKTOBRA: MAMORIA VOKATRA HO AN’NY TOMPO

Salamo 34.1-3 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavalka / Hira 332

    Nivarotra ny taniny i Ananiasy sy Safira, ary ny vola izay azony tamin’izany dia nolazain’izy ireo ho natolony manontolo ireo Apostoly. Tsy izany anefa ny zavatra nitranga, fa efa niray tetika izy mivady, ka tsy ny vola rehetra no nomeny fa ny ampahany ihany. Ny filana sitraka teo imason’ny olona no antony nisehoan’ireo ho mpanompon’Andriamanitra, fa tsy fahafoizana marina. Nolazain’i Petera fa nandainga tamin’ny Fanahy Masina izy irco, sady naka fanahy an’Andriamanitra. Ny tsy fahamarinana dia fahotana. Na inona na inona fanompoanao an’Andriamanitra, ka tsy tanterahinao amin’ny fahamarinana, dia midika izany fa mandainga amin’Andriamanitra ianao. Fahotana izany!

      Ny fanompoana tsy amin’ny fahamarinana, dia mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra. Miseho amin’ny endrika fahafatesana izany eto amin’ity tantara ity. Rehefa nolazain’i Petera fa nandainga tamin’Andriamanitra i Ananiasy dia nikarapoka ka afaka ny ainy, ka nentin’ireo zatovo nivoaka ny fatiny mba halevina. Afaka ora telo taorian’izany, rehefa tonga koa i Safira vadiny, dia nandainga ka nikarapoka teo anoloan’ny tongotr’i Petera, afaka ny ainy, ary dia nalevina koa izy. Ny fahafatesana eto dia midika ho fandringanan’Andriamanitra, satria Izy dia mankahala ota. Tanteraho amin’ny fahamarinana ny fanompoanao, mba tsy ho tratry ny fahatezeran’Andriamanitra.

      Manao ahoana ny fanompoanao ny Tompo ankehitriny?