Sal 143.1-3 / Hira 482/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka/HF 14
2 Samoela 12, 13-20
Miaina amin’ny finoana ny mpino
Andeha hotarafina amin’ny fiainan’i Davida ny fiainantsika mpino. Mijoro sy miaina amin’ny finoana i Davida, Mpanjaka. Manao ahoana izany olona miaina amin’ny finoana izany?
Mahatsiaro manaiky sy miaiky ny hadisoana
« Efa nanota tamin’i Jehovah aho », hoy i Davida tamin’i Natana (and.13). Fiaikena sy fanekena ho diso izany. Niaiky sy nanaiky i Davida rehefa nandre ny tenin’Andriamanitra nentin’i Natana, Mpaminany. Izany no toetran’ny mpino rehefa mifanatrika amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny sitrapon’Andriamanitra ny olona dia mahatsiaro tena ho diso. Isika kosa indraindray na dia mihaino toriteny sy sitrapon’ Andriamanitra aza dia entintsika mitsara ny hafa: «Ranona mihitsy no tratran’ireny toriteny ireny!… Miaike, fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika… » (1 Jao 1, 9).
Manaiky ny fitondran’ Andriamanitra
Mahagaga mihitsy ny olona mino, fa manana fiainana mifanohitra amin’izay heverin’ny olona ho mahazatra. Jereo Davida: Velona ny zaza, mitomany sy mifady hanina izy; rehefa maty ny zaza, mangina tsy mitomany sy mihinan-kanina izy (and. 16 ampitahao and.20). Efa fantany fa izao fahafatesan’ny zaza izao no lalana nasain’Andriamanitra nizorany, noho ny fahotany. Manaiky lalana itondran’ Andriamanitra ny mpino fa tsy manome tsiny Azy. Izany koa no nataon’i Jesoa. Nanaiky nijaly sy maty hatreo amin’ny hazo fijaliana satria izany no lalana itondran’ny Rainy Azy.
Fanontaniana
Mampieritreritra ny olona manamarin-tena. Nahoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe