(Sal 134 / Hira 194 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 334)

Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo (and. 4)

    Mba hiray saina ao amin’ny Tompo i Syntike sy Eodia mirahavavy (and 2). Ampirisihana izy ireo hifanampy, izay efa mpiara-miasa tamin’ny Apostoly Paoly tamin’ny fitoriana ny Filazantsara (and 3). Ampaherezina izy ireo hiombom-po sy fanahy amin’ny fanompoana ny Tompo. Ambara ihany koa fa voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ireo mpiray dia amin’ny Apostoly. Foto-kevitra mivoitra izany: izay manaraka an’i Kristy, tahaka ny Apostoly, dia mpanaraka ny lalan’ny Apostoly koa ka voasoratra any an-danitra ao amin’ny bokin’ny fiainana (and 3; Apo 3.5; 21.27). Efa tsara toerana ao amin’i Kristy ny mpino ka ampaherezina mba tsy hiverin-dalana fa hitombo sy hiorina hatrany ao amin’i Kristy. Sady fonenantsika ao amin’i Jesoa Kristy no fitahiana rahateo.

      Sady fanaovam-beloma ataony amin’ny mpiray finoana aminy ny << mifalia mandrakariva (and.4) >> no fifaliana ara-bakiteny. Na dia any am-ponja aza ny Apostoly (Fil 1.7) dia mampirisika sy mampahery ny Fiangonana sy ny Kristiana. Efa akaiky ny Tompo. Izany no fanantenana, ka tsy andrenesana fahoriana na dia tafasaraka ara-nofo aza noho ny fanenjehana (and.5). Manambara ny toetra tokony hananan’ny olona miambina ny fiavian’i Kristy ny Soratra Masina: Mandefitra (and.5), afaka amin’ny fanahiana, mivavaka sy mifona; mankalaza sy misaotra an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra (and 6). Arovan’i Jesoa Kristy ho amin’ny fiadanana ny mpino. (and 7). Noho izany hevero ny hatsaram-panahy sy fankalazana na ny fiderana an’Andriamanitra, mihoatra ireo zavatra sy fisainana heverina ho tsara rehetra. Raiso ho fianarana ny lalana sy ny fiainana nizoron’ny Apostoly.

      Afaka mifaly ao anaty fahoriana sy fahasahiranana ve isika Kristiana ankehitriny?