(Sal 1/ Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 731.1-6)

Fitahiana sy famindrampo ary fiadanana no tsodranon’i Jehovah ampitain’i Arona sy ny Levita, zanany amin’ny Fiangonan’ny Isiraely. Hiala ao Sinay ho any Kanana, i Mosesy sy izy ireo ary ny Isiraely.

Fitahiana sy fiarovana no omena ny Isiraely. Fitahiana, ho an’ny vahoaka nofidiana sy nanaovany fanekena. Firenena masina ambany fahasoavan’ny Tompo. Ny fanomezan’i Jehovah no miantoka ny fiainany sy ny fahavelomany. Tany vatoana ny tany Kanana. Ny Kananita sy ireo mponina tao amin’ny tany Kanana dia mihevitra ny Isiraely ho fahavalo. Jehovah no Mpiaro ny Fiangonany.

Miditra amin’ny fifandraisana feno amin’ny Zanak’i Isiraely i Jehovah. Manatrika azy amin’ny fahatsarany sy ny fahazavany tanteraka Izy, satria Izy Ilay Mazava (1Jao 1.5). Kendrena ny tsy hanarahan’ny Isiraely ny fomba sy ny sampin’ny jentilisa. Fitiavana sy fanampiana ary famelan-keloka no fanomezan’ny Tompo ho an’ny vahoakany.

Mibanjina ny Zanak’Isiraely ny Tompo. Mitarika azy ho tonga hatramin’ny farany any amin’ny tany Kanana, izay fampanantenana hatrany amin’ny razambeny (Gen 17.8). Jehovah hanome azy fandriampahalemana sy filaminana eo anoloan’ireo firenena manodidiana. I Jehovah mitarika azy eo aloha tahaka ny mpiandry ondry. Manaraka sy mankato no anjaran’ny Isiraely. Mioty ny vokatra avy amin’izao tsodrano izao isika Fiangonana kristiana ankehitriny. Fiangonana masina ambany fahasoavana sy famindram-po ary ny fiadanan’i Jesoa Kristy.

Mitsodrano antsika ny Tompo. Mbola ilaina ve ny tsodranon’ ny ray aman-dreny?