(Sal 138.1-3 / Hira 824,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / FF34)
1 Tesaloniana 5.12-15
Fananarana sy fampaherezana ny Fiangonana
Fanaovam-beloma sy fananarana ary fampaherezana ny Tesaloniana mandra-piavin’ny Tompo.
1. Hajao ny mpitarika ny Fiangonana (and 12-13)
Ity epistily ity dia milaza amin’ny Fiangonana mba hanaja sy ho tia ny mpitarika ao amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana. Ireto no antony hanajana azy: Noho ny fikelezan’aina ao amin’ny Fiangonana, izay sarobidy sy saro-pady ary masina, dia ny fitondrana ny vahoakan’ Andriamanitra ho ao amin’ny Tompo (and. 12). – Noho ny fampitandremana na fananarana ny Kristiana mba hitandrina amin’izao fotoana fiavian’ny Tompo izao. Noho ny asany (and. 13) dia hajao feno amin’ny fitiavana izy. Mitsodrano ny Fiangonana sy ny Kristiana ny Apostoly mba hitoetra amin’ny fiadanana na filaminana ny Kristiana ao amin’ny Fiangonana
2. Fananarana ny Fiangonana (and 14-15)
Mitondra fampaherezana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny Apostoly ka mananatra ny Kristiana. Misy fitsipika sy fitondrantena iainana ao anatiny ny Fiangonana, fa tsy mandeha ho azy ny fiombonana sy ny fiaraha-miaina. Ireto ny hafatra omena: Anaro sy raiso an-tanana ny kamo na izay tsy mitoetra tsara ka misarita-piainana. Mandefitra na mahari-po amin’ny olona rehetra; – Ampirisiho hahatoky ny Tompo ny katahotra ary ampiana ny osa sy ny saro-kenatra. Farany, hanjaka ao amin’ny fiainana Kristiana ny fifankatiavana (Jao 13.34-35) sy ny hanao ny tsara ka hifanampy sy hifanasoa ny mpianakavin’ny finoana (Gal 6.10). Amin’ny Apostoly dia Fiangonana mifankatia, miombona, ary milamina no tanjona sy kendrena mandra-piavin’ny Tompo. Tompon’ andraikitra voalohany amin’izany isika Mpitandrina sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ho fianarana ho an’ny kristiana.
Fanontaniana :
Ahoana no hahatongavana amin’izany hoe: fiangonana miombona sy mahery eo amin’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe