(Sal 81 / Hira 307 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira HF47)
Hagay 2. 1-9
Mampiombona ny mpino ny Tompo sady
1- Mampahery
« Nefa mahereza ankehitriny… ary mahereza ianareo vahoaka » (and 4). Samy omen’ny Tompo fampaherezana na ny mpitarika toa an’i Zerobabela sy Josoa, zanak’i Jozadaka na ny vahoaka, manoloana ny faharavan’ny Tempoly. Variana nifantoka tamin’izay mahasoa azy ireo manokana izy ireo. Mampahery azy ireo kosa ny Tompo mba, hahafahany miatrika ny andraikitra lehibe izay miandry azy. Mampahery antsika Jesoa ka maniraka antsika ho amin’ny asa fanompoana.
2- Maniraka hiasa
« Mahereza ianareo ka miasà » (and.4d). Manome hery hoenti-miasa ny Tompo. « Tsy nomeny fanahy osa isika fa Fanahy mahery sy fitiavana » (2Tim 1,7). Nibaiko ny mpanompony hanatanteraka ny fanarenana ny Tempoly ny Tompo. Mandraka ankehitriny dia mbola mampahatsiaro antsika ny Tompo ny amin’ny fikolokoloantsika ny tenantsika izay Tempolin’ny Fanahy Masina (IKor 3, 16-18). Mbola asa iray manokana ny fanarenantsika ny Tempolin’ Andriamanitra dia ny tenantsika izany.
3- Mampanantena fanarenana indray
« Ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » (and 7); « Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia lehibe noho ny tany aloha » (and 9). Mampanantena ny mpanompony fanarenana miavąka ny Tompo satria: « Azy ny volafotsy, ary azy ny volamena » (and8). Mamelona ny fanantenantsika lanitra vaovao sy tany vaovao izany.
Fanontaniana :
Inona avy ireo fampaherezana voalaza eto?
Sampana Sekoly Alahady Foibe