(Sal 133 / Hira 534 / Vavaka / Mofonaiana / Vavaka / Hira FF39)
Asan’ny Apostoly 4, 32-37
Ny Fiangonana miray hina dia:
1- Miray fo.
Ny mpino miray fo dia miombona fitiavana an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Mpino mitovy tarigetra manoloana ny ady amin’ny asa ratsin’ny satana sy ny forongony. Miaina amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy satria samy zanak’Andriamanitra. Miaina ilay « didy vaovao » izay nampianarin’i Jesoa (Jao13.34-35). Mpino miara-mizotra amin’ilay « lalana sy fahamarinana ary fiainana« . Miaina fihavanana sy firahalahiana.
2- Miray fanahy.
Ireo mpino ireo dia samy manana ny « fanahin ‘ny finoana » (2Kor 4,, 13), fanahin’ny fahendrena (Efes 1, 17), fanahin’ny fahamarinana (Jao4,6), fanahin’ny fahamasinana (Rom 1,4). Samy manana ny Fanahin’ny Tompo izy ireo. Ny mpino manana izany Fanahy izany dia manana Fanahy fahendrena ka izay ataony dia kendreny hifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra eo ambany fıtarihan’ny Fanahy Masina. Natao batisa amin’ny Fanahy iray ihany izy rehetra, ka tsy mifankahala na mifanenjika sanatria.
3- Mandresy ny fahantrana
« Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy… » (and 34a). Hoy ny dikan-teny iombonana hoe: « tsy nisy orin-javatra teo aminy« . Miditra an-tsehatra amin’ny lafiny rehetra ny fivavahantsika. Hatrany amin’ny Deo 28, 1-14 dia nitso-drano antsika ny Tompo mba hisitrahantsika fitahiana sy fahasoavana. Manana adidy hitondra anjara biriky handresena fahantrana isika. Efa natombok’i Jesoa izany.
Fanontaniana :
Inona avy no azontsika atao handresena ny fahantrana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe