(Sal 34 / Hira 164 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 488)

« Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary » (and 31). Handalo sedra ny faneken’i Petera an’i Jesoa. Efa fantatry ny Tompo mialoha fa handa Azy in-telo i Petera (and 34). Ny tantaran’i Petera dia mampitandrina antsika fa tena zava-doza eo amin’ny fanompoana ny fandavana an’i Jesoa, isan’izany ny fahatahorana olombelona mihoatra noho ny fahatahorana an’i Jesoa. Tsy mifidy tavan’olona ny fizahan-toetra. Mbola mitohy ankehitriny ireo sedra samihafa.

« Ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao » (and 32). Nivavaka manokana ho an’i Simona ny Tompo mba tsy ho levona ny finoany. Marina fa handalo sedra mafy i Petera, handa an’i Jesoa izy, saingy nivavaka ho azy i Jesoa mba hijoroan’i Petera indray. Hisy tokoa ny fotoan-tsarotra izay andalovana kanefa mila tohizan’i Petera amin’ny fibebahana izany. Izany dia fiverenena hanompo an’i Jesoa indray, toy ilay fitiavana voalohany.

« Ary rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao » (and32b). Ny olona mibebaka, manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy, dia tsy mipetrapetra-potsiny fa mitory Filazantsara. Mampahery ny hafa. Ny fijoroana vavolombelona dia endrika fanehoana amin’ny fomba hita maso sy azo tsapain-tanana ny fanekena sy fitiavana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy.

Inona avy no mampiavaka ny mpianatry ny Tompo?