VOLANA AOGOSITRA 2025 MIFAMPAHERY NY MΡΙΝΟ

(Sal 23 / Hira 639 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 627)

« Jehovah Andriamanitra no hita eo alohanao » (and3). Efa nampanantena Izy fa « raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho, ary raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy » (Isa 43,2). Nisedra onja ihany koa Jesoa raha niaraka tamin’ny mpianatra, fa manan-kery amin’ny voahary rehetra ny Tompo. Tsarovy fa aorian’i Jordana dia miandry anao Kanana. Mitarika anao handroso amin’ny lalana marina ny Tompo.

Nampanantena ny Tompo fa « handringana » ireo fahavalo sady « hanome ny tanin’izy ireo amin’ny mpanompony » (and3). Na teo aza ny tsy fahafahan’i Mosesy hiditra ny tany Kanana, dia nanomana an’i Josoa hitarika ny vahoaka ny Tompo. Tsy mitsahatra ny fiheveran’ny Tompo ny vahoakany. Manomana fandresena Izy. Mampiomana antsika Jesoa fa hiatrika zava-tsarotra samihafa isika, nefa manome toky antsika Izy fa efa nisantatra fandresena ho antsika; ary manomana fandresena ho antsika hatrany.

« Tsy handao na hahafoy anao Izy » (and 6, 8). Mitondra fanahiana sy tebiteby hoan’ny vahoakan’Andriamanitra ny fiovan’ny mpitarika izay efa nahazatra azy ireo. Eo koa ny ady sarotra izay tsy maintsy hatrehana. Manome toky anefa ny Tompo fa eo hatrany Izy. Momba antsika mandrakariva ny Tompo manoloana ny sarotra atrehantsika (Mat 28, 20).

Inona avy ireo toky omen’ny Tompo ny mpanompony?