(Sal 66.1-4 / Hira 462 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 471)
1 Petera1. 13-21
Ny fitondran-tenan’ny olom-boaantso
1- Tsy tahaka ny filàna fahiny
Ambaran’ny mpanoratra amintsika amin’izao mofonaina anio izao fa ny olom-boaantso dia entanina mba tsy hitondra tena tahaka ny filana fahiny. Inona moa izany? Ny fiheverana sy ny fanao izay manalavitra ny sitrapon’Andriamanitra, mbamin’ny fiainana anjakan’i satana; tsy mba manaja izay masina; mihevitra an’Andriamanitra ho tsy misy.
2- Mitafy ny fahamasinana
« Aoka ho masina hianareo satria masina Aho » (and.15). Ho an’ny olom-boaantso, ny fahamasinana dia tokony ho toy ny akanjo isalorana mandrakariva na aiza na iza toerana aleha. Io no iavahany amin’ny hafa, ary anehoany koa ny voninahitr’ Andriamanitra manoloana ny anjara fanompoana. Zanak’Andriamanitra isika, ka tokony hanahaka ny toetrany toy ny zanaka manahaka ray aman-dreny. Ny fitafiantsika ny fahamasinana sy ny fitandremana izany no hananantsika fahatanterahana eo anatrehan’Andriamanitra (Mat 5.48). Mitafia fahamasinana àry isika!
3- Miaina amin’ny fitiavana
Tian’Andriamanitra loatra isika ka tsy novidiany tamin’ny harena hitamaso toy ny volamena na volafotsy ny fanavotana antsika (anF.18). Fa Kristy tonga lafatra no maty ho antsika. Mariky ny fitiavany izany; « Fa ny rà soan’i Kristy toy ny ràn’ny zanak’ondry tsy misy kilema… » (and.19). Asehoy amin’ny fitiavana ny fitondran-tenanao, aza atao hoe an-tery fa amin’ny fitiavana satria Kristy tia ny olom-boaantso.
Fanontaniana :
Marina eo amin’izay anirahana anao ve ny fitondrantenanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe