Sal 25.1-6 / Hira l4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira547

Raha namakivaky ny tanana’i Jeriko i Jesoa mbamin’ny mpianany, ka hizotra ho any Jerosalema, dia indro i Bartimeo jamba, zanak’i Timeo nangataka teo amoron-dalana. Raha nandre an’i Jesoa nandalo izy dia niantso hoe: « Ry Jesoa zanak’i Davida ô! Mamindrà fo amiko » (and 47b). Ny antsoantso nataon’i Bartimeo jamba manoloana ny fandalovan’i Jesoa dia fanehoanam-pinoana avy ao anaty, anehoany fa mahay mamindra fo aminy sy manasitrana azy amin’izao fahajambany izao i Jesoa. Ny sasany dia mihevitra hoe manelingelina an’i Jesoa izao fihetsiny izao, kanjo tsy laitra nampanginina izy (and 48). Tsarovy fa raha tena olom-boaantso ho ao amin’ny Tompo isika dia tsy ho sakana ny handrosoantsika izay mety ho kilema ara-batana toy ny fahajambana.

Raha ny fiheveran’ireto manodidina mikasika an’ity jamba ity dia tokony tsy hiantsoantso momba an’i Jesoa izy satria jamba. Ary mety ho izany no nahatonga azy ireo hampangina azy. Fahitana ara-batana izany fa fahajambana ara-panahy. Nodisoan’i Jesoa ny fiheveran’ny sasany hoe tsy miraharaha izay mpangataka kely Izy. Neken’i Jesoa ny fangatahany, ary nomarihany manokana fa nampiasa finoana i Bartimeo (and.52). Raha ny fahitana ara-batana no ianteherana dia mety ho diso ara-panahy ihany. Mahita ny ao am-pon’ny olona Andriamanitra. Tazany teo amin’i Bartimeo ny finoana izay nampahiratra azy.

Mba mety jamba koa ve ny olom-boaantso?