(Sal 106.1-5 / Hira 480 / Vavaka / Mofonaina / Vakaka / Hira 446)
Eksodosy 3. 1-10
Ny antson’Andriamanitra:
1- Anehoany ny maha Izy Azy.
Naneho ny maha Izy Azy Andriamanitra tao Horeba (na Sinay); tamin’ny alalan’ny roimemy mirehitra afo, nefa tsy nahalevonana. Tamin’izany no nahazo antso manokana i Mosesy. Tsy tao amin’ny Testamenta Taloha ihany no nanehoan’Andriamanitra ny maha Izy Azy, fa ao amin’ny Testamenta Vaovao koa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompo. Niseho tamin’ny alalan’ny Anjely Izy tamin’ny mpiandry ondry (Lio 2.9). Isika koa dia anehoan’ Andriamanitra ny maha Izy Azy amin’ny atao. Izany no anarahantsika ny Teniny, ny baikony. Aoka isika hanaiky ny antsony satria efa zava-mahagaga Izy.
2- Ankatoavy ny antsony
Raha ny voalazan’ny Soratra Masina eto dia tao anatin’ny afo Andriamanitra no niantso an’i Mosesy. Mazava tsara ilay antso. tamin’ny namerimberenana ny anaran’ilay nantsoina. Namaly Mosesy ka nanao hoe « Inty aho ». Nambaran’Andriamanitra fa Izy no Andriamanitr’i Abrahama, Isaka, Jakoba (and.5-6) mba haneken’i Mosesy hankatoavany ny Teniny.
3- Maneke ho irany.
Fantatr’Andriamanitra ny fahorian’ny olony, ary azo lazaina fa mihatra aman’aina mihitsy ny fampijaliana afitsoky ny Egyptiana (and 3.7). I Mosesy no antsoina hitondra azy hivoaka avy any Egypta mba hizorany ho any amin’ny tany Kanana izay tondra-dronono sy tantely, tany nampanantenana azy ireo. Ry Havana, olom-boaantso isika koa maneke ny irak’i Jesoa Kristy: hitaona ny olony ho ao amin’ny fanjakany, dia ny fiainana mandrakizay izay efa nampanantenainy ho antsika.
Fanontaniana :
Ahoana ny famalinao ny antson’ny Tompo niantefa taminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe