Sal 34. 1-3 / HF 33 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 334
Marka 1. 1-20
Jesoa Kristy miantso olona
1- Manome andraikitra azy
«Ary hoy Jesoa taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. » (and. 17)
Rehefa nahita an’i Simona sy Andrea mirahalahy teo am-panaratoana i Jesoa dia niantso azy ireo hanaraka Azy. Nandao ny haratony izy mirahalahy ireo ka nanaraka an’i Jesoa. Mazava ny iraka hatrany am-piandohana fa hatao ho mpanarato olona izy ireo. Araka izany, ny iraka ampanaovina ny olona nantsoin’i Jesoa ho mpianany dia mazava tsara ka tsy tokony hisy hanao zavatra mifanohitra amin’izay nasaina hatao. Na koa manao izay tsy nampanaovina. Mila mahafantatra tsara ny iraka nampanaovina azy hatramin’ny niantsoan’i Jesoa azy isika tsirairay ka hamita izany.
2- Midika fandaozana ny ankohonana
«… Ary izy mirahalahy nandao an’i Zebedio rainy teo an-tsambokely (…), ka dia nanaraka an’i Jesosy. » (and. 20)
Rehefa nandre ny antson’i Jesoa i Jakoba sy Jaona dia tsy nisalasala nandao ny sambokely (ny asany), nandao ny rainy, nandao ny fiarahamonina nahazatra azy. Nahafoy ny fiainany manontolo izy ireo. Araka izany, ny famaliana ny antson’i Jesoa dia midika ho fahafoizana ny zavatra rehetra, eny, izay maha izy azy manontolo mba hahazoana manao ny sitrapon’i Jesoa. Tsy ny sitrapon’ny olom-boaantso intsony no mibaiko azy sy ny fanapahan-keviny fa ny an’i Kristy izay arahiny. Ho anao ary, aoka ny sitrapon’i Jesoa Kristy, Ilay niantso anao, no hibaiko anao amin’izay atao rehetra eo amin’ny fiainanao.
Fanontaniana:
Inona mahatonga ny olom-boaantso mifikitra amin’ny ratsy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe