Sal 100 / Hira 12.1,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 18
Lioka 12.35-40
Manao fanoharana momba ny fihavian’ny andro hiverenany i Jesoa, izay tampoka sy tsy ampoizina. Hiverina Izy amin’ny fahefana ka:
1. Miomàna hatrany (and.35)
Mampiseho ny endrika fahavonona hatrany ny hoe misikina sy mandrehitra jiro, tsy tafandry mandry fa miomana mandrakariva. Izao tontolo izao dia mitarika ny olona hankamamy ny tany ka tsy hibanjina ny fiverenan’i Jesoa. Vokany: ho maro ny zavatra mahavariana, saingy ny olona mahafantatra fa hiverina Jesoa dia miomana hatrany.
Tsy ny saina ihany anefa no omanina amin’izany fa mila aseho amin’ny alalan’ny asa izany. Koa asa tsara ho an’ny Tompo, fa tsy asa kitoatoa, mba hiteraka fahazavana tahaka ny jiro tsy hay takonana ka hiharihary ho hitan’ny rehetra. Hiverina, ary tsy maintsy hiverina ilay Tompon’ny fahefana koa miomana hatrany fa aza variana amin’ny fiainana mandalo.
2. Tanteraho ny andraikitrao (and.37)
Tsy ilay Tompo irery no faly eto, fa indrindra ilay mpanompo. Mahasambatra ny mahavita izay andraikitra napetraka taminy satria ilay Tompo indray no te hanome fahafaham-po ny mpanompony. Tena mivadika mpanompo indray Izy ka manome izay tsara, mitondra fanavotana, mametraka ilay mpanompo eo amin’ny toeram-boninahitra izay efa nomaniny ho azy.
Tsy kisendrasendra ny nametrahan’ny Tompo ny tsirairay eo amin’ny toerana mísy azy. Aoka samy hanao zava-dehibe izay andraikitra eo am-pelatanany avy. Tanteraho ny andraikitrao mba hahafaly ny Tompo sy hahasambatra anao.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fiomananao ny fiverenan’ny Tompo indray?
Sampana Sekoly Alahady Foibe