Sal 103.1-6 / Hira 21.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 506.1,2

Andro Sabata, Jesoa no manatrika ny mason’olona maro izay mahalala ny fahefany sy ny fahagagana efa vitany; eo ihany koa ilay marary izay miandry famonjena. Inona no nataon’i Jesoa amin’ny fahefany?

    Maty tànana ilay lehilahy, efa very fanantenana. Ny olona dia tsy mba nijery izay mavesatra tamin’ilay marary fa revo niandry kendry tohana tamin’ny karazana fombafomba. Saingy tsy nahasakana an’i Jesoa izany satria maika ny famonjena. Tonga ho an’ny olona very fanantenana Izy, ary hitondra soa sy hamelona aina ireo izay an-dalam-pahafatesana sy maty fahavelona. Samy manana ny anton’ny hamonjeny ny andro fivavahana (Sabata) ny olona rehetra. Ny an’i Jesoa kosa dia ny hitondrana famonjena sy hizarana fanantenana, fa ny anao kosa mba inona? Sao dia manakana ny soa sy ny famonjena ho an’ny hafa?

      Nasehon’i Jesoa ho hitan’ny olona rehetra eto fa na teo aza ny hamafin’ny fon’ny olona sy fiheverana hafahafa teo amin’ny maro, rehefa tiany haseho fa manana fahefana hanasitrana Izy dia ataony izany. Tsy miandry hevitr’olona, fa tonga dia nanatanteraka fanafahana, mampijoro ny ketraka. Tsy voasakan’iza n’iza ny fanasitranana noho ny fahefana ananany. Aza heverina fa ny hevitr’olona maro tsy mahavonjy no ambony noho i Jesoa. Saino tsara aloha ny maika, famonjena aina tahaka izay nataon’i Jesoa sa hevi-diso manakana fanavotana?

      Hatraiza ny finoanao ny fahefan ‘i Jesoa?