(Sal 66. 1-4/Hira 167: 1/ Mofonaina / Vavaka / Hira 460: 1)
Matio 10. 26-31
Rehefa avy mampiomana ny mpianany ny amin’ny fanenjehana ho avy i Jesoa dia mampahery azy ireo kosa hoe: Aza matahotra. Miverina in-telo io teny io ato amin’ity anjara mofonainantsika ity. Inona avy ary no tsy tokony hampahatahotra antsika?
1. Ny mitory ny an’i Jesoa (and 26)
<< Koa amin’izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. >> hoy ny fampirisihan’i Jesoa ny mpianany eto. Ambaran’ny Tompo fa raha enjehina Izy dia tsy maintsy henjehin’ny olona ihany koa ny mpianany, kanefa na izany aza dia ampirisihan’i Jesoa ihany izy ireo hoe: << izay lazaiko aminareo…izay ren ‘ny sofinareo dia torio eny an-tampon-trano >> izany hoe na inona na inona mitranga dia toriana hatrany ny Filazantsara! Ho antsika indrindra koa izany !
2. Ny olona hanenjika (and 28)
<< Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy…». Ny hevitr’io Tenin’i Jesoa io dia hoe tsy manana fahefana amin’ny fanahintsika ny olombelona, mety hampahory ny nofontsika izy, hikapoka, hanala baraka, handrabiraby na hampangirifry sy izay herisetra hafa koa, fa ny fanahintsika kosa tsy ananany fahefana velively! Koa aza matahotra olona fa Andriamanitra no atahory (Asa 5. 29b)
3. Ny fiheveran’Andriamanitra antsika (and 31)
«Koa aza matahotra fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. ». Mbola i Jesoa ihany no manome toky eto fa tsy tazanin’ Andriamanitra fotsiny ny mpianany, fa sarobidy sy manan-danja lavitra noho ny zava-boahary hafa. Izany hoe tsy diso anjara amin’ny fiarovana sy ny fameloman’ Andriamantira mihitsy izay rehetra matoky Azy. Kosa sahia mijoro amin’ny finoana (Rom 8. 31b).
Fanontaniana:
Nahoana no tsy tokony hanan-tahotra isika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe