(Sal 97.1-6 / HF 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira179)

Asan’ny Apostoly 2. 1-11

Ny fanomezana ny Fanahy Masina

1- Hery ho an’izay nandray Azy

Mialoha ny niakarany tany an-danitra dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesoa Kristy fa tsy hamela ny mpianatra ho irery; nampanantena koa Izy ny amin’ny hiavian’ny Fanahy Masina mba hampahery azy ireo (Jao 14.26; Asa 1.8). Tanteraka izany tamin’ny andro Pentekosta: ny rivotra mahery mifofofofo sy ny lela mitarehin’afo dia famantarana ny fiavian’ny Fanahy Masina amin-kery. Notafiana hery avy amin’ny Fanahy Masina ny mpino mba hahafahany mitory ny Filazantsara sy mijoro am-pahasahiana ho vavolombelon’ny asa lehibe nataon’Andriamanitra, mba hitaomana ny olona rehetra ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Izany no mahatonga ny Fiangonana hangataka mandrakariva ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

2- Fototry ny fielezan’ny Filazantsara

« Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy » (and.4). Nahatalanjona ny olona rehetra izay nanatrika teo ny nandre ireo mpianatra niteny tamin’ny karazam-pitenenana fampiasan’ireo firenena samihafa izay vory teo (and.6-11). Manambara amintsika izany fa ny Fanahy Masina tokoa no misolovava sy mampiteny izay rehetra irahiny; ny firenena rehetra mihitsy no tian’ Andriamanitra handray ny famonjena, amin’ny alalan’ny asan’ny Fiangonana, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Ka dia tsy maintsy hotorina amin’ny firenena rehetra hatramin’ny faran’ny tany ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Ahoana no ahatsapan’ny olona iray fa mitari-dalana azy tokoa ny Fanahy Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe