Sal 117 / Hira 171 : 1, 3 / Moforaina / Hira 332 : 1
Sal 138.1-8
1. Midera an’Andriamanitra
Miantomboka amin’ny teny hoe midera Anao » ity Salamo ity. Maneho ny fikasana tsara ao anatiny ny mpanoratra fa te hidera an’Andriamanitra izy ary amin’ny fo tokoa fa tsy an-tendro-molotra fotsiny ihany. Ary tsy mba nafeniny izany fa hasehony mihanbary manoloana ireo andriamani-tsy izy. Manandratra an Andriamanitra ho ambonin’ny zavatra rehetra sy izay heverin’ny olona fa andriamanitra mahavonjy azy. Ary tsy izy ihany no tiany hidera fa ny mpanjaka namany ihany koa.
Tena ankasitrahan’Andriamanitra ny fiderana Azy amin’ny fo madio tsy mihatsaravelatsihy. Ny Fiangonana dia toerana iray natokan’ny mpino rehetra hiderana sy hanomezana voninahitra an’Andriamanitra.
2. Tsy mivadika amin’ny Teniny Izy
Tamin’ny fahasahiana no nideran’ny mpanoratra șatria tsapany loatra ny fahatsaran Andriamanitra tamin’ny misitrahany ny famindrampon’ny Tompo sy ny fahamarinany. Tamin’ny fotoana sarotra nolalovana dia tsy nahatsiaro ho irery satria nohenoin’Andriamanitra ny fitarainany (And.3). Ireo toky sy teny fampanantenana dia tanteraka tokoa. Toa tsy lavitra azy ny fahavalo, izay anatin’ny fahatezerana ary mikendry handavo azy saingy niaro azy Andriamanitra. Ilay toe-draharaha mampitebiteby sy mampatahotra teo nivadika ho fifaliana satria nandray famonjena noho ny Tenin’Andriamanitra.
Marina sy tsy miova ary azo antoka ny Tenin’Andriamanitra ka anantenana valim-bavaka mandrakariva. Vokany, hitoetra amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra hatrany ny mpino (And.7-8).
Fanontaniana:
Nahoana no misy tsy mahatsiaro midera an Andriamanitra kanefa mandray zava-tsoa avy amin’ny Teniny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe