Sal 32, 1-2 / Hira 167: 1,2 / Mofonaina / Hira 295 : 1,4

Natanjaka ny Fiangonana satria mbola velona ny Apostoly. Nisy ihany koa ny fampianaran-diso hanoherana ny finoan’ny Kristiana. Mampianatra i Jaona ka mampatsiahy izay tokony iveloman’ny mino. Ary mampahery amin’ny teny sao:

Izay manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy dia voavela heloka. Izany no vontoatin’ny fahatongavan’i Jesoa tety an-tany sy fototry ny Teniny rehetra ary nambaran’ny mpianatra. Mbola natanjaka anefa ireo fandemen-tsaina nahazo ny olona ka niteraka fisalasalana tamin’izany. Koa ny teny toriana no fitaovana ifampaherezana fa izay mino an’i Jesoa dia mpanota voavela heloka. Aza avela hisy hahasaraka antsika amin’ny famonjen’i Kristy Jesoa fa azo antoka izany.

Ny Tenin’ Andriamanitra irery ihany no fanalahidin’ny fisalasalana rehetra. Ary ao amin’ny teniny no ampahalalany ny sitrapony. Ny olona mitoetra sy mandala ny teny dia mahery satria tafaorina tsara ny finoany ka tsy voahozongozona. Ny teny hoe mitoetra mantsy dia anehoana zavatra iray tsara fototra sy mafy orina ka tsy mihetsika intsony. Jesoa no ilay vatolampy fototry ny teny izay inoantsika. Izay miantehitra Aminy dia tsy misy mahazera satria tsy miova ny heriny.

Ilay ratsy dia mitady ny hevitra rehetra izay hanakorontanana antsika tsy hiorina tsara ao amin’i Jesoa. Tsarovy fa ny heloka vitatsika dia efa navelan’ny Tompo. Koa aza misaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra fototra iorenan’ny finoana velona.

Tsapanao ary tsaroanao ve ny hasarobidin’ny famelan-keloka omen’ Andriamanitra anao amin’ny alalan’ny Teniny?