Sal 66, 8-12/Hira 141 :1,5/Mofonaina/Hira 486 :1,5

Mifampahery ny samy mpanompon’Andriamanitra sady mpanompon’ny teny. Mampianatra ny zoky fa hisedrana olana ny fanompoana ary tsy mahaketraka izany noho ilay Mpandresy dia Jesoa. Toriana hatrany ny teny mba ho tsaroan’ny olona fa:

    Fahavalo tsy hain’ny olona resena vokatry ny fahotany sy ny fandaozany an’Andriamanitra ny fahafatesana. Tsy manana vahaolana manoloana ny fahafatesana, satria hiharan’izany fotsiny ny olombelona. Tsy namela antsika ho resy anefa ny Tompo na faly hahita ny fahaverezantsika fa indro nasehony tao amin’i Jesoa fa izay tsy resintsika dia resiny. Nitsangana ho velona izy ary nasehony ho hitan’izao tontolo izao izany.

    Aloky ny fahafatesana ny ety an-tany fa tsarovy fa an’Andriamanitra ny fahefana rehetra.

      Mety mahaketraka tokoa ny ady atrehana ety an-tany, koa na ny mino aza rehefa misedra olana samihafa dia toa milofika. Raha mamaky izay niaretan’i Paoly tamin’ny asa fitoriana izay heverina fa hitondra fifaliana dia mahadiso eritreritra. Kanefa tafajoro hatrany izy noho ny fanantenany fa velona i Jesoa izay Tompoiny. Mitory hatrany izy, na dia hahafaty aza, mba ho ren’ny olona rehetra fa ny fahafatesana dia resin’ny mino an’i Jesoa. Ny Tenin’Andriamanitra no tsy mety voafatotra, ary izany teny izany no hanafaka ny olona izay mbola mifatotra.

      Tsarovy àry fa marina amin’ny Teniny ny Tompo. Koa aza ketraka mitory ny teny fa ny Fiangonana no mijoro ankehitriny dia velomin’ny tenin’i Jesoa velona.

      Mbola mifampahery marina ve ny samy mpitory filazantsara?