1 Timoty 6.11-21

Manana toe-panahy miavaka

1. Mandosira ny fakam-panahy

Fitaovana iray velarin’i Satana eo anoloantsika ny fakam-panahy raha tsy mitandrina isika. Fieboeboana foana, ady hevitra, fialonana, fifandirana, fanaratsiana, miala amin’ny fahamarinana, manao toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoan-javatra…. Raha ireo rehetra ireo dia hita eo amin’ny fiaraha-monina avokoa. Asaina mandositra izany isika satria tsy toe-panahy araka an’Andriamanitra izany fa mijoro hatrany kosa amin’ny fahamarinana, hitombo hatrany ny fananana toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem- panahy….

2. Mitahiry ny finoana an’i Jesoa Kristy

Ny hoe: mitahiry dia entina ilazana zavatra omena mba ho kajiana sy hotandremana tahaka ny anakandriamaso. « Tehirizo ilay natolotra anao…. ». ny fahalalana ny Soratra Masina sy ny filazantsara ary ny nandraisana an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy amin’ny fiainany. Io no nampianarina an’i Timoty hatry ny fony fahakely (2 Tim 3. 14-15). Ny finoana dia avy amin’ny toriteny henoina, izay manambara an’i Jesoa Kristy ilay tompon’ny finoantsika. Izy ihany no fanoitra ahazoana manohitra ny fampianaran-diso samihafa, izay mamotika ny finoana. Tehirizo tsara ary ny finoanao an’i Jesoa Kristy ilay tompon’ny finoanao. Miorena tsara dia aza miova. Tsarovy fa ny finoanao no mahavonjy anao sy ny ankohonanao. Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny fikatsahana ny toe-panahy ho toy zava- Isarotra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe