Romana 12. 9-21
Ny fitiavana ao amin’ny fiombonana
1. Fitiavana marina
Ny tena fitiavana marina dia mankahala ny ratsy, ary mifikitra amin’ny tsara. Tsy fihetseham-po fotsiny akory fa tena vokatry ny fo, fitiavana manasoa ny hafa, tsy mihatsaravelatsihy. Fitiavana marina toy ny fifankatiavan’ mpirahalahy, mifampitondra toy ny mpirahalahy, mifampitondra toy ny mpiray tampo ao amin’i Jesoa Kristy.
2. Fitiavana maharitra
Mamporisika ny kristiana i Paoly mba tsy ho kamo amin’ny fanompoana ny Tompo, ka hihazona ny hafanam-po amin’ny fanompoana ary haharitra amin’izany rahateo koa. Hifaly mandrakariva amin’ny fanantenana, hifanohana am-bavaka, ary haneho faharetana sy fikirizana ao anatin’ny fisedrana.
3. Fitiavana mijery ny hafa
Andraikitry ny mpino ny fitsinjovana izay olona sahirana ao aminy. Hiantra ny olona masina araka izay ilainy, ary mampiantrano vahiny. Milaza fanampiana izany, ohatra: fifampitsinjovana. Ny fampiantranoana vahiny dia mifantoka amin’ny fikarakarana olona tsy fantatra sy vahiny. Ny tranontsika, ny fontsika ary ny paosintsika dia tsy maintsy misokatra amin’ny fanompoana azy ireo. Fitiavana mijery ny hafa.
4. Fitiavana mahay miara-miaina
Fahaiza-miaina tsy misy rahoraho. Paoly eto dia mamporisika ny mpino tsy hirehareha fa mba ho tia mandrakariva ny fifaneraserana amin’ny olona rehetra. Ampanjakao eo amin’ny fiainam-panompoana ny fiainam-pitiavana
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny fitiavana ho toy ny zava-tsarotra amin’izao andro iainantsika izao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe