Joba 33.19-33

Niharan’ny fizahan-toetra mahamay i Joba, tonga namangy azy ny namany telolahy. Ny tenin’izy telolahy dia hoe nanota i Joba matoa iharan-javatra toy izao; nanamarin-tena anefa i Joba. Ity anjara mofonainatsika anio ity no teny nataon’i Eliho izay zandriny indrindra amin’izy rehetra. Teny nataony am-pahatezerana; kanefa ahazoantsika mahatakatra fa tsy misy tian’Andriamanitra ho very ny olona ka:

1. Miasa Izy (and 29, 30)

« Indro, izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka » hoy ny voasoratra. Maneho amintsika miharihary izany fa tsy mandrimandry na mipetrapetra-poana akory Andriamanitra. Ny matoanteny hoe « atao » mantsy dia midika hoe mihetsika, izany hoe tsy mahatafandrimandry an’ Andriamanitra mihitsy raha misy olona na dia iray monja aza mbola mandeha amin’ny lalan’ny fahaverezana. Raha miampita any amin’ny Testamenta vaovao isika, dia ny fanomezana an’i Jesoa Kristy hamonjy izao tontolo izao no porofo mitohoka amin’ny tendany (Jao 3. 16).

2. Miala nenina amin’ny fomba rehetra Izy (and 29)

« …indroa amin’ny olona, eny intelo aza » hoy ny Soratra Masina eto. Izany no mampihasinkasina fa tena manam-piniavana sady manam-pitiavana Andriamanitra, tsy mba sitrany mihitsy ny hahatonga ny olona hikiry amin’ny fahadisoany hany ka tsy sasatra mitaona ny olona hiverina Aminy amin’ny fomba rehetra Izy. Tsy mba mamely am-pitaka na miandry kendry tohana mba hamelezana Izy, fa izany no mahatonga an’i Jesoa miantso hoe « Mibebaha ianareo » (Mat 3.2) raha vao nanomboka nitoriteny. Isika koa aoka tsy ho saro-tiavina, mibebaha dieny mbola fotoana.

Fanontaniana

Tsapanao ve fa tsy tian’Andriamanitra ho very ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe