Isaia 40. 27-31
Andriamanitra Mpahary
1. Mampionona
« Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. » (And. 29) Noho ny amin’ny fitsaran’Andriamanitra dia lasa babo tany Babylona ny Jiosy. Nalahelo izy ireo, nahatsiaro ho nafoy, ary nihevitra fa tsy mahita azy ireo Andriamanitra. Nanoloana izany, nanambara ny mpaminany fa mampionona sy mampahery Andriamanitra na dia mitsara aza indraindray. Koa tsarovy mandrakariva, Andriamanitra manerana izao rehetra izao Andriamanitra Mpahary ka mahita ny ataon’ny olona rehetra. Mitsara ny olona araka ny asany avy Izy. Mampionona sy mampahery ny reraka Izy. Ary izany no pamezany an’i Jesoa Kristy hanome fitsaharana ho an’ny olona reraka sy miasa fatratra.
2. Iorenan’ny fanantenana
« Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa… » (And. 31) Ampiasaina eto ny andian-teny « miandry an’i Jehovah » izay entina ilazana ny olona mitsinjo lavitra ka miasa eo ampiandrasana ny vokatra. Ny zatovo voatokana hanao ny asan’ny miaramila mety reraka fa ny olona miasa amin’ny herin’Andriamanitra ka manantena Azy dia tsy ho reraka mihitsy. Noho izany ary, na dia mandalo ady sarotra aza ianao, aza kivy, aza ketraka, fa mangataha hery avy amin’ny Tompo ka miasa. Aza miraviravy tanana manoloana ny olana fa manantenà an Andriamanitra Mpahary Izay namonjy antsika tao amin’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana
Ahoana ny fomba iainanao ny fanantenana anaty olana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe