Kolosiana 1. 1-8

Ny olona mahatoky ao amin’i Kristy

1. Miorina ao Aminy

rehefa renay ny finoanareo an’i Kristy Jesosy sy ny fitiavan’ny olona masina rehetra,» (And. 4)

Nanoloana ny fisian’ny fampianan-diso izay tafiditra tao amin’ny Fiangonana tany Kolosia, dia nitana ny finoana hatrany ny kristiana tao. Izany finoana izany dia nasehon’izy ireo tamin’ny alaian’ny fitiavana sy ny fanampiana ny olona masina. Araka izany, ny olona miorina ao amin’i Kristy dia olona tsy voahozongozon’ny fampianaran-diso samihafa misy, eny, na dia misy tafiditra ao anatin’ny Fiangonana aza izy ireny. Ary aseho amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny fanampiana ireo samy mpianakavin’ny finoana izany. Ny olona mahatoky ao amin’i Kristy dia manana fanantenana handova ny fiainana mandrakizay.

2. Mitombo ao Aminy

… sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin’ny andro nandraisanareo (And. 6)

Asehon’i Paoly Apostoly fa ny mpanao fampianaran-diso da mampiorina ny finoany amin’ny fahalalan’olombelona fa ny krista tany Kolosia kosa dia tamin’ny filazantsara. Ny filazantsara izay sy hafa akory fa Jesoa Kristy Ilay Fahamarinana. Vokatry my asan’ Andriamanitra sy ny asan’ny mpitory filazantsara no nahatonga izany. Araka izany, mitombo 20 anatin’ny olona ny tenin’ Andriamanitra rehefa mandray ny filazantsara amin’ny fincana izy. Mitombo ao anatin’ny olona ny filazantsara, dia hita tarata ro amin’ny hainana sy ny toetra andavanandro ny vokatry my Filazamsara

Fanontaniana

Ahoana ny fitomboan ‘ny filazantsara ao aminao

Sampana Sekoly Alahady Foibe